Inona tokoa moa no sakana tsy ahafahan’ny malagasy mandray anjara amin’ny famokaran-draharaha vita informatika? Fomba fanao malaza amin’ny tany mandroso tandrefana ankehitriny ny manondrana ireo asa aman-draharaha vokarina amin’ny informatika ireo.
Maro vokatr’izany ny asa aman-draharaha nifindra monina any Eropa Atsinanana, eny fa na dia any Asie aza, Sina ohatra, dia ahitana sampandraharaha afaka manome fahafampo ny mpanjifa. Io fanondranana fahaizan-draharaha io dia miha misongadina ankehitriny na dia mampiasa teknôlôjia havo lenta aza.
Jereo ny tranokalan’’i www.rentacoder.com, raha te hiroso any avara-patana ianao.
Mazava ny tetipanoron’ny tany efa lasa alavitra amin’ny fanapariahana ny fitsinjarana ny asa ka maro ireo centres de développements naondrany amin’ny firenena tahaka an’i Inde sy Chine .Iza no afaka hitompo teny fantatra ka hanizingizina eto fa ambakan’ireo firenena ireo ny malagasy amin’ny fampiasana atidoha ifehezana ny teknôlôjia havo lenta ?
Ny volavolan-kevitro dia ny hamindra ny ampahan’ny tsenam-barotra ho any Madagasikara ka amin’izay fotoana izay ny tanora malagasy tsy mandrato aty dilambato intsony fa hivarotra ny fahaizany avy ao an-tanindrazany.
Ity tetikasa tiako ho tanterahina ity ka resahiko eto dia mitsinjara ho dingana roa:
(1) Ny dingana voalohany amin’ity tetik’asa ity dia ny fampisedrana ny kalaza manan-talenta amin’ny infôrmatika malagasy hanita-pahaizana, hanamafy ny fitokisan-tenany amin’ny fahaiza manao ny asa ary hanangona traikefa ao anatin’ny Rent a coder.
(2) Ny dingana faharoa dia ny mampiasa raikitra izay Malagasy tsara naoty hanatevina ny ekipako amin’ny fanatontosana volavolan’asa amin’ny tsenam-barotra Eropeanina.
Ny fananganana Silicon Valley Malagasy no fenitra tratrariko amin’ity tetik’asa ity, ka ny mifanahatsahana amin’izay vitan’ny karana any Inde no kendrena satria izay no làlana heveriko ahatongavana amin’ny fampidirana an’i Madagasikara ho isan’ireo firenena afaka mivarotra raharaha amin’ny fampiasana “informatique”, izay karazan’asa afaka mamelona vahoaka maro eto Madagasikara ary takatry ny atidohan’ny Malagasy.
No Translations






Entries (RSS)